Politique

Fandrakofana fotoam-pifidianana Mila miasa an-kalalahana ny mpanao gazety


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Tsy ho mora ny asa miandry ny mpanao gazety momba ny fandrakofana ny fifidianana ao anaty fahaleovantena tanteraka.

 Naharitra telo andro ny atrikasa nokarakarain`ny fikambanan`ny mpanao gazety miteny frantsay eto Madagasikara (Union de la Presse Francophone section Madagascar) momba ny tontolon`ny fifidianana. Maro no tsoa-kevitra niraisana entina namaritana ny fomba mahomby handrakofana ny fotoam-pifidianana. Anisan'ny voadinika ny fomba hananana fifandraisana tsara amin'ny mpanao politika. Teo ihany koa, ny fahafahana manatanteraka ny asa maha mpanao gazety ao anaty orinasa manohana mpanao politika. Notsindriana manokana kosa ny  fomba hanajana ny etika sy ny deôntôlôjian'ny asa fanaovan-gazety mandritra ny fifidianana... Noho izany, mandefa antso amin`ny tompona orinasan-gazety ny UPF Madagascar mba hamorian`izy ireo ny mpanao gazety miasa ao aminy hamaritana mialoha ny fomba hitondrana ny fandrakofana ny fifidianana, mba tsy ho tratran'ny tampoka. Manentana azy ireo ihany koa ny UPF mba hampahafantatra amin'ny mpamaky, ny mpijery sy ny mpihaino, ny firehany amin'izao fifidianana izao. Nilaza ihany koa ny mpanatrika mba tsy hanery an'ireo mpanao gazety hanao asa fampielezan-kevitra na hanao ny asan'ireo mpiserasera ara-barotra na ihany koa hanery azy ireo hanoratra na hamoaka vaovao mifanohitra amin'ny feon'ny fieritreretany. Nofaranana tamin'ny fivoriambe fanaon'ny UPF Madagascar isan-taona moa ity atrikasa ity, ny zoma hariva raha nanomboka ny alarobia 12 septambra izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT