Ho fampiharana ny fanapahan-kevitra nivoaka teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena dia tsy
tokony hifarana anaty andro tsy fiasana ny fandraisana ireo fangatahana na fitarainana mikasika ny resaka fifidianana. Ny datin’ny 29 desambra, izay andro sabotsy no tokony fiafaran’ny fandraisana fangatahana dia nahemotra ho anio alatsinainy 31 desambra indray hatramin’ny 4 ora hariva. Ankoatra ireo porofo isan-karazany mikasika ny resaka fisiana hala-bato nampahafantarin’ireo nanadihady izany talohan’ny fivoahan’ny voka-pifidianana nomen’ny CENI dia maro ihany koa ireo porofo vaovao voaray isam-paritra naranty tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy teo. Heverina fa ho sarotra ny mbola haheno indray fa azo raisina saingy tsy mitombina ireo fangatahana sy fitoriana izay efa eo am-pelatanana sy mbola horaisina eo am-pelatanan’ity rafitra ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.