Politique

Fandrahonana ireo mpianatra nitsikera an-dRajoelina Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo ray aman-dreny


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Miteraka resabe hatramin’izao ny sarin’ireo mpianatra sy avara-pianarana sahy nitsikera sy nanakana ny hanatontosan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina,

 

 tao Paris ilay hetsika Demokrasia saika hataony ny alakamisy teo. Naparitaky ny haino aman-jery an-tambajotran-tserasera iray moa ny sarin’ireto mpianatra ireto ary mbola nohamafisin’ny gazety mpiseho isan’andro iray ihany koa fa voalaza tao ny adiresy sy fiasan’ireo ray aman-drenin’ireto zaza Malagasy mila ravinahitra any andafy ireto. Fandrahonana an-kolaka no nandraisan’ireo mpanara-baovao ny tranga niseho satria tsy misy antony tokony hampahafantarana ireto tanora sahy naneho ny heviny ireto. Fankalazana ny atao hoe demokrasia rahateo no anton’ny fanasana, raha tsiahivina. “Demokraty ve ny fihetsika toy ireny ?”, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra, Mipetraka ho an-dRajoelina sy ny mpiara-miasa aminy ny fanontaniana. Fantatra fa nisy ihany koa ny fametrahana fitoriana fiandry na plainte de reserve.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT