Politique

Fandraharahana ny fonja Talem-paritra 16 no nosoloina, fa misy inona ?


  • Alakamisy 11 Septambra 2014

Mbola maro dia maro tahaka ny mahazatra indray ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony nataon’ny filankevitry ny minisitra omaly teny Iavoloha, ary ny nanaitra dia ny fanovana ireo talem-paritry ny fandraharahana ny fonja miisa 16 manerana ny nosy

Tafiditra ao anatin’io ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja ho an’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Itasy, Boeny, Sofia, Vakinankaratra, Anosy, Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony … Mampieritreritra ihany ny zavatra tahaka izao. Tena tsy nahavita ny asany tokoa ve ireo talem-paritry nyfandraharahana ny fonja teo aloha ireo ? Nisy fonja vaky angaha sa nisy gadra tafaporitsaka no dia rivodoza be tahaka izao no nahazo ireo talem-paritry ny fandraharahana ny fonja ireto ? Fa ankoatra izay dia Atoa Ramiandrisoa Freddy Etienne indray manomboka izao no talen’ny fampiofanana eny anivon’ny ENMG na ny sekoly fianaran’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana. Omaly ihany koa vao voatendry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny asa tanana sy ny kolontsaina ary ny vakoka ka Atoa Rabetokotany Eugène no hiandraikitra io toerana io manomboka izao. Mbola talem-paritra maromaro ihany koa no nosoloina teo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny minisiteran’ny Fiompiana. Mitohy ihany izany ny fanendrena olona ataon’ny fitondrana vaovao ary dia voailika avokoa ny ankamaroan’ireo tompon’andraikitra nandritra ny fitondrana tetezamita.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT