Politique

Fandorana velona vazaha tany Nosy Be Olona 12 higadra mandrapahafaty ?


  • Zoma 09 Oktobra 2015


 

Anio maraina no hivoaka etsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny didim-pitsarana momba ilay raharaha fandorana velona niampy famonoana teratany vahiny 2 sy malagasy iray tany Nosy be ny volana oktobra 2013. Olona 37 no voarohirohy tamin’ity raharaha ity, 12 kosa no notazonin’ny fampanoavana satria voaporofo tamin’ny alalan’ny fijerena ny horonantsary omaly fa tena nandray anjara mivantana tamin’ilay fitsaram-bahoaka nivadika ho vono olona. Ny sazy henjana indrindra, dia ny figadrana mandra-pahafaty, no miandry azy ireo. Nangataka onitra 329 580 000 Ariary (90 000 euros) kosa ny mpitory, izany hoe ny fianakavian’ireo maty. Tsara ny manamarika fa misy zandary 2 ihany koa voapanga amin’ity raharaha ity noho izy ireo nitazam-potsiny ny fidarohana sy famonoan’olona fa tsy nandray andraikitra. Fa mba nanao ahoana kosa ny fanadihadiana momba ilay zazalahy kely 10 taona, tsy ampy taova ary  hita faty tao anatin’ny sambon’ny iray tamin’ireo teratany vahiny ? Io tranga io mantsy no nahatezitra ny olona tao Nosy Be ka nitarika ny fisamborana sy famonoana ireto vahiny ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT