Taorian’ny nitsipahan’ny Fitsarana avo Momba ny lalàmpanorenana ny tolo-dalàna nataon’ny governemanta momba ny sata manokan’Antananarivo dia efa mikononkonona ny handrafitra tolo-dalàna vaovao indray ny minisiteran’ny Atitany holanian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara eny Tsimbazaza ka tsy maintsy hisy indray ato ho ato ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana.Marihina fa nanodidina ny 2,2 miliara teo ho eo ny totalin’ny vola lanin’ny Antenimieram-pirenena nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo mikasika ny fandinihana ny sata manokan’Antananarivo nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny. Vola izay tokony ho nanaovana zavatra hafa toy ny famatsiana sakafon’ny traboina na ho an’ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra ohatra, na koa namatsiana ireo fanalana ny fako efa mivangongo eran’ny tanàna ireny. Nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety moa dia notsindrian’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy fa tsy volavolan-dalàna natolotry ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena iny fa tolo-dalàna nataon’ny governemanta ka samy manana ny andraikiny ny andrim-panjakana roa tonta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.