Politique

Fandehanana mifidy Sahia mijoro sy mandray andraikitra !


  • Alakamisy 25 Oktobra 2018

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia tsara ny mampahatsiahy fa zo sy adidy ny mifidy. Amin’ny maha zo azy dia ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy, na ny olona izay heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao izany.

 

Amin`ny maha olo-pirenena feno no hanomezana izay zo izay, ka afaka mifidy malalaka tsara ny olona. Adidy ihany koa, satria ny fifidianana filoham-pirenena no  fifidianana goavana indrindra ao anatin’ny rafitra demokratika. Antony, ao anatin’ny dimy taona ny filoham-pirenena no hitantana ny firenena. Ao anatin’ny dimy taona ihany koa no tokony hanatanteraka ny praograman’asany izy, izay tena antony hifidianana azy. Mety hiteraka fahavoazana goavana ihany kosa, ho an’izay olona tsy hifidy ny tsy fanatanterahana an’izany adidy masina izany, satria ao anatin`ny dimy taona isika no hiaina ny vinan’ilay olona nofidian’ny hafa, satria ianao tsy nifidy ! Ny CENI rahateo dia miezaka hatrany manentana ny rehetra mba hanatrarana ny tahan`ny mpifidy ho 70% amin`ity fifidianana 2018 ity. Mila sahy mijoro sy mandray andraikitra ny olom-pirenena ka maneho am-piheverana tsara ny safidiny, safidy atao amin’ny fifidianana izay zo miteraka adidy aman’andraikitra.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT