Politique

Fandaniana ny Sata manokan’Antananarivo Tsembo-dratsy ny minisitry ny atitany


  • Alakamisy 26 Martsa 2015

Nolanian’ireo depiote 77 tamin’ireo 78 naharitra hatramin’ny farany tamin’ny fivoriana nitambarambe notontosaina teny Tsimbazaza ihany omaly ilay sata manokan’ny tanŕnan’Antananarivo rehefa nakana ny hevitr’ireo solombavambahoaka sy ny avy amin’ny kaominina ary ny avy amin’ny fokontany eto Antananarivo Renivohitra.

 

 Depiote 1 ihany no nanangan-tanana tsy nilaza ny heviny tamin’izany. Nomarihan’ny minisitry ny atitany Mahafaly Olivier teo am-pivoahana ny fivoriana fa volavolan-dalàna notapahina tamin’ny filankevitry ny minisitra iny 003-2015 lany teo iny ary ireo depiote no tompon-teny farany amin’ny fandaniana azy izay nisaorany manokana. Tsy misy izany ho mpandresy sy resy izany, hoy izy, fa ny tombontsoan’ny vahoaka nobanjinina ary voahaja tsara ny demokrasia. Ny hirosoana amin’ny fifidianana izao no mahamaika ny rehetra, hoy izy, ka handrasana am-pitoniana ny fanapahan-kevitry ny Hcc sy ny fiantsoana ataon’ny filoham-pirenena. Marihina fa efa tsembo-dratsy ihany ingahy minisitra vao lany ity volavolan-dalàna ity ary efa nandeha mihitsy aza ny teny avy amin’ny depiote Razanamahasoa Christine fa tokony hametra-pialana ity minisitra ity satria efa in-5 nentina teny Tsimbazaza ity sata manokana ity nefa tsy lany hatrany. Niaiky moa izy fa tena nafana tokoa ny adihevitra omaly saingy nambarany fa ny isavorovoroan-kilatoana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT