Any Toamasina nanomboka omaly alakamisy 16 aogositra Atoa Marc Ravalomanana.
Anton-diany any ny fanatrehana ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha- 200 taona nahatongavan’ny LMS teto Madagasikara, izy rahateo no filohan’ny komity mpikarakara ny taon-jobily. Mavitrika avokoa ny rehetra amin’ny fikarakarana, hoy i Marc Ravalomanana ary tena mahafinaritra ny fandraisan’ny mponin’i Toamasina. Ankinintsika amin’Andriamanitra ny fanatanterahana ity fotoan-dehibe ity. Vao nahita an’i Dada ny olona teny an-dalana rehetra teny tao Toamasina omaly dia nanatona sy niresaka taminy. Maro ny fitarainana noho ny fahasahiranana, ny tsy fandriampahalemana, ny olana ara-tsosialy maro samihafa. Mangetaheta fivoaran’ny fiainany ny olona, ho avy ny fotoana ary isika tsy mifamitaka fa tsy maintsy mifanampy, hoy izy. Mifantoka tanteraka amin’ity hetsika goavana tanterahan’ny FJKM any Toamasina ity aloha amin’izao fotoana i Marc Ravalomanana saingy manome toky fa tsy mivadika amin’ny teny nomeny izy ary tsy maintsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 7 novambra ho avy izao. Tsy mbola fotoanan’ny fampielezan-kevitra rahateo izao, ary i Dada dia olona manaja ny lalàna. Efa averiny ombieny fa manaintaina ny Malagasy. Tsy kabary ambony vavahady no atao ary na dia tsy eo amin’ny fitantanana ny firenena intsony aza i Dada dia efa nanomboka drafi-pampandrosoana mety sy mahomby ho an’i Madagasikara. Nohatsaraina ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP) ary natao mifanaraka tsara amin’ny zava-misy eto an-toerana sy any ivelany. Matoa ny olona tsy mitsahatra ny miantso vonjy dia fantany fa olona manana ny fahaizana sy ny traikefa ary mahavita ny asa io olona itarainany io. Tsy misy tokony hampikorapaka fa mila mahandry tantana isika, hoy ny filoha Marc Ravalomanana satria mila zavatra matotra ny fifidianana filohan’ny repoblika fa tsy vitan’ny kisehoseho ivelany fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.