Politique

Fanatsarana ny politikan’ny fananan-tany Hanome tanana ny fanjakana ny International Land Coalition


  • Talata 07 Oktobra 2014

Ho fanatsarana ny politikan’ny fananan-tany eto amintsika dia hampiantrano ilay fikaonan-doha lehibe “Africa Land Forum” isika manomboka rahampitso talata 07 oktobra, haharitra roa andro. Eny amin’ny Ibis Ankorondrano no hanatanterahana izany, hiarahana amin’ny

International Land Coalition, ivondronan’ny SIF na ny Sehatra Iombonan’ny Fananan-tany, ny Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara, ny ONG Fiantso Madagasikara ary ny Coalition Paysanne de Madagascar. Lohahevitra hovoaboasana mandritra izany ny hoe : fanavaozana ny fananan-tany, hery ho amin’ny fandrafetana ireo drafitra  momba ny fanatsarana ny  politikan’ny fananan-tany aty Afrika. Anisan’ny andrasana amin’izany ny fahafahana manome tanana sy manampy ny fanjakana amin’ny fanavaozana ny fananan-tany eto amintsika izay efa am-periny tanteraka amin’izao fotoana, ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mpandray anjara mba hampanan-karena hevitra antsika, ka hahatongavana amin’ny tanjona tiana hokendrena. Anisan’ny andrasana ho avy handray anjara amin’ity fikaonan-doha lehibe ity ireo fiarahamonim-pirenena rehetra misy eto amintsika, hahafahana manafoana ny resaka ady tany etsy sy eroa izay vao mainka mahazo vahana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT