Mbola somary mangingina aloha ny fandrotsahana dosie ho an’izay ho kandida filoham-pirenena na maro aza ireo efa nanambara ny hirotsaka sy re siosio fa anisan’ny ho mpifaninana.
I Andry Rajoelina irery hatreto no efa fantatra fa nandrotsaka ny dosie filatsahan-kofidiany ny tolakandron’ny 1 aogositra teo, ka ny mpahay lalàna Andry Herizo Ratotozafy zanaky ny minisitra Christine Razanamahasoa no nanatitra izany. Mety hiditra ao anatin’ny paikadin’ny kandida avokoa ny fanaterana mialoha na ny fiandrasana faramparany. Ho an’i Andry Rajoelina, dia misy sahady amin’izao no manombana, fa dieny heverina ho mbola madio ny dosie dia nalefa avy hatrany aloha. Iaraha-mahalala mantsy ny fitoriana nataon’ny HFI (Hetsiky ny Fanorenana Ifotony) eny amin’ny HCC noho ny fahitan’izy ireo fa nangoron-karena sy nangalatra harem-pirenena i Andry Rajoelina, ka tsy tokony havela hirotsaka fa hadihadiana ara-pitsarana aloha. Tsy tongatonga ho azy io fitoriana io satria tsy vao izao i Andry Rajoelina no nalaza ratsy sy nampametra-panontaniana ny rehetra hoe avy aiza ireo hareny tsy hita pesipesenina saingy nahoana no ho kandida izy vao napetraka ? Mbola mametraka ny paikadiny sy mijery tsara kosa ny hafa, izay inoana fa mbola maro no hanao be fiavy io. Mety ho lafy tsaran’ny fiandrasana fotoana akaiky farafandraisana ny dosie ny tsy hananan’ny HCC fotoana firy handinihana izany sy hikarohana hirika ny pitsopitsony hahafahana misakana ny kandida. Mety hanano sarotra koa anefa ny fanenjehana fotoana raha hisy zavatra kianin’ny mpandinika dosie eo, ka tsy maintsy fenoina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.