Politique

Fanaterana dosie eny amin’ny OVEC Hararaotin’ny sasany hitadiavam-bola


  • Talata 05 Mey 2015

Miseho sahady ny kolikoly sy ny fanararaotana ireo kandida mpilatsaka hofidiana ho ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina avy any ambanivohitra. Misy amin’ireo biraon’ny OVEC amin’ny distrika iray eto amin’ny faritra Analamanga no manao an-tery ireo kandida izay avy any ambanivohitra manodidina an’Antananarivo ka mivarotra amin’izy ireo ny antontan-taratasy izay hofenoina amin’ny filatsahan-kofidiana.

 

Amidin’izy ireo 26 000 ariary ireo dika mitovin’ny  antontan-taratasy ilaina ka maro no sahirana fa tratran’ny tsy nampoizina. Misy aza efa mba mitondra ny taratasiny ihany fa rehefa tonga ao amin’ity OVEC iray ity dia lazain’ny tompon’andraikitra ao fa kely loatra ny refin’ny soratra amin’ilay antontan-taratasin’ilay kandida ka tokony hosoloina amin’ilay amidiny ao dia manaiky noho ny tahotra na noho ny tsy fahalalana ireo kandida.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT