Politique

Fanatanterahana ny Vina IEM Sarotra raha tsy hihaino ny mpandraharaha


  • Zoma 11 Janoary 2019

Nanambara ny filoha mpitantana ny Madaomby, Tahiry Sambehafa fa tokony hisy fiantraikany mivantana amin’ny mpandraharaha sy ny mpiompy ny tetikasa ao anatin’ilay vina IEM napetraky ny filoham-pirenena vaovao.

 

 

Raha ny eo anivon’ny fikambanana madaomby manokana dia tokony hiverina amin’ny isany ny omby izay very tao anatin’ny 5 hatramin’ny folo taona lasa izay lasan’ny dahalo hoy izy. Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka lany tamingana ny omby ka tokony hojerena akaiky satria harenan’i Madagasikara sady antoky ny fampandrosoana ara-toekarena izany. Tokony hisy fiarovana ho an’ny mpiompy mba tsy ho tojo  fahakiviany izy ireo satria amin’izao fotoana izao dia mandratra sy mamono mihitsy rehefa manafika ny dahalo. Ny « puce » sy ny « drone » ao anaty IEM dia tsy ampy ary tsy haha voaaro ny tompon’ny omby mihitsy raha tsy mihaino ny vahaolana avy aty amin’ny mpandraharaha ny mpitondra hoy ny filohan’ny Madaomby.  Misy mantsy ny politika sy ny paikady ary ireo vahaolana manokana izay tsy hita ao anatin’ny IEM kanefa tena avy any amin’ny fandraharahana ifotony. Tsy ampy ihany koa ny vahaolana ambony latabatra ataon’ireo mpitandro ny filaminana satria tsy mifanaraka amin’ny zava-misy marina izany. Tokony alaina mihitsy aloha ny hevitry ny mpandraharaha vao manapa-kevitra mba hirindra sy hilamina tsara ny fanatsarana rehetra. Nanamafy ihany koa i Tahiry Sambehafa fa tsy maintsy apetraka ny fitsinjaram-pahefanan’ny kaompania sy ny mpitandro ny filaminana ary ireo tompon’andraikitra any amin’ireo toerana izay tena misy fiompiana omby mba hanamora hatrany ny fanapahan-kevitra rehetra raisina. Ankoatr’izay dia tsy maintsy atao ny famongorana tsy misy fepetra ireo dahalo ambony latabatra sy ireo mpitandron’ny filaminana manao fanaparam-pahefana ary ireo tambajotra mpangalatr’omby mba tena hisy fiantraikany  amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fiompiana omby. Nitodika tamin’ ny filoham-pirenena vaovao ny tenany mba hiantso sy hihaino ary hiady hevitra amin’ireo mpandraharaha hiara-hijery miaraka ny vahaolana.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT