Eto Madagasikara nanomboka ny alatsinainy 14 mey teo ny avy amin’ny Vaomiera misahana ny fifidianana atsy Afrika Atsimo na ny IEC, mitovy laharana amin’ny CENI. Nihaona tamin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy ireo omaly, ka nitarika azy ny ambasadaorony monina sy miasa eto amintsika, Maud Vuyelwa Dloma.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana orina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fandinihana ary ny fijerena ny zava-misy eto an-toerana momba ny resaka fifidianana, ny fihaonana. Nandritra izany no nilazan-dRamatoa Maud Vuyelwa Dloma, fa vonona hanampy ny firenena Malagasy izy ireo amin’ny dingana fanomanana ny fifidianana, sy eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana, dia misy ireo teknisianina manana traikefa manokana amin’ny fikarakarana izany, izay mandalo eto an-toerana mandritra ny herinandro, ka hihaona amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny CENI, ao amin’ny minisiteran’ny fitatanam-bola sy ao amin’ny Banky Foibe. Voasoritra ao anaty fikasana amin’ny fiaraha-miasa ny fanampiana amin’ny lafiny ara-pitaovana ankapobeny, raha tsy hilaza afa-tsy ny angidimby hitaterana ny vokatra, satria midadasika i Madagasikara. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana moa, dia nambaran’ny praiminisitra, fa efa lany sy navoaka ny lalàna ary mbola hisy ihany koa ny lalàna izay hoentina eo anivon’ny filankevitry ny governemanta ho fanamafisana orina ny fahaleovantenan’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana. Hatramin’ny 18 mey izao ny fivahinianany eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.