Politique

Fanasoniavana ny «mémorandum» Fivadiham-pitokisana amin’ny vahoaka


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Lasa takalon’aina vokatr’ity fifanakalozana hafahafa eo amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ity ny fiainan’ireo vahoaka malagasy 24 tapitrisa.

 


 

Tsy voasoratra ao anatin’ny Lalàmpanorenana tamin’ny taona 2010 mantsy na ny «pacte de responsabilité» na ny «mémorandum», hoy ny mpahay lalàna Rabenarivo Sahondra. Midika ho fivadiham-pitokisana amin’ny vahoaka nandany io Lalàna fototra io ny firosoan’ireo solombavambahoaka manao sonia azy io eo anatrehan’ny filohan’ny Repoblika. Lasa fifanarahana isam-batan’olona mantsy ilay izy fa tsy misy fijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny mponina ao aminy intsony. Mazava tsara anefa ny fanahy nandrafetana ny Lalàmpanorenana vaovao mitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia ny fisian’ny antoko na vondrona miara-dia na manohana ny fitondrana sy ireo mpanohitra izany izay noravan’io fifanekena fifampitsinjovana eo amin’ireo andrim-panjakana roa ireo.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT