Politique

Fanasoniavana ny « Mémorandum » 20 miliara ho an’ny depiote 100 ?


  • Zoma 28 Aogositra 2015

Araka ny fanambaran’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly dia mahatratra 90 ireo Solombavambahoaka nanao sonia ilay mémorandum izay

mifono  ilay drafitra vaovao entina indray hitantanana ny firenena  miainga avy amin’ny maro an’isa. Tsy  mbola voafaritra mazava izy ireo fa ny fantatra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena kosa dia tsy anisan’ireo nanao sonia  ny depiote avy amin’ny Mapar sy ny Tiako i Madagasikara. Hivaha  amin’izay  ary ve ny  olan’ny  fitondrana amin’ny fitadiavana ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ? Azo alefa amin’izay ve ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibola  nasiam-panitsiana ? Raha ny  feo  avy amin’ireo   filohan’antoko  sasantsasany kosa mantsy dia tsy mora ny ahazoana  maro an’isa eny  amin’ny  Antenimieram-pirenena satria  toa hoe sandain’ny  solombavambahoaka vola  be, hono. Misy  andiana depiote  efa  nanatona ireny filohan’antoko  ireny  ary  milaza fa  mahavondrona   100 saingy  mitady  vola 20 miliara ariary  ho sandany. Izany hoe 200 tapitrisa ariary isan-tsonia  no haloa  amin’izy ireo  dia manaraka  izay  torolalana napetraky ny mpanome vola. Raha izany no  tena  marina  dia potika  tanteraka  ny firenena. Dia sanatria  ve  nandoa io volabe io ny Filoha ?      

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT