Politique

Fanasana atidoha


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Mazava ny resaka fa fampitandremana ireo ben’ny tanàna mitady hanao zavatra hafahafa na tsy hanaraka ny toromariky ny fitondrana foibe no antony nanaovana ilay fiofanana nandritra ny roa andro ny zoma sy sabotsy lasa teo.

  Fampitandremana sy fanasana atidoha no tena betsaka. Ny lafiny teknika moa iny tsy dia misy iadian-kevitra be fa efa misy ny fomba fiasa tsy maintsy arahan’ny kaominina amin’ny resaka fampidiram-bola sy fandaniam-bola ary ny fitakiana ny hetra, ohatra. Tsy ny fifidianana loholona ihany no ao anatin’ny kajikajy politikan’ny fitondrana fa ny fitantanana amin’ny ankapobeny mihitsy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana manerana ny nosy. Tsy mbola mipetraka tsara mantsy ny fahefam-panjakana kanefa manomboka leo sahady ny mpitondra foibe ny olona. Tsotra ny ketrika eto : poretina hanao ilay fandaharanasan’ny governemanta ireo ben’ny tanàna. Izay tsy manatanteraka dia hosoloina PDS na hikarohana hevitra hafa, tahaka ny famoronana dosie ohatra. Rehefa misy kosa ny asa vita sy misongadina dia tonga ny mpitondra foibe hitokana zava-bita dia hanao kabary be manandra-tena indray. Izay iray alehany na hisy asa ho vita tokoa na hifandramatra amina ben’ny tanàna izay tsy manaiky ny teny midina isaky ny mihetsika indray ny fanjakana ka dia hisavorovoro indray e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT