Lasa izay ny vanim-potoanan’ny ranon’orana, manomboka amin’izay ny asa fanadiovana.
Ny faran’ny herinandro teo dia nidina teny amin’ny fokontanin’Anosibe, faritra anisan’ny tena nahitana fahavoazana betsaka nandritra ny oram-be iny, ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy minisitra vitsivitsy. Ho fanadiovana ny tanàna sy ho fanomezana asa ny mponina dia nisy ny asa tanamaro andraisam-bola nokarakarain’ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement). Fanadiovana tatatra no natao mba hampandeha haingana ny rano mihandrona ka tokantrano miisa 150 no nahita tombontsoa. Nambaran’ny praiminisitra fa taonan’ny fahadiovana izao ka anisan’ny tsy maintsy imasoana ny fikajiana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny mba ahazoan’izy ireo rano fisotro madio. Nandritra izany dia tsy mitsahatra ny lehiben’ny governemanta ny miantso ny fiaraha-mientan’ny ankolafin-kery samihafa ho amin’ny fampandrosoam-pirenena. Mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa ny hetsika.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.