Politique

Fanarenana ny firenena Mila olom-baovao mihitsy ve ?


  • Zoma 04 Mey 2018

Raha ny zavatra miseho ankehitriny dia mirona kokoa any amin’ny fananganana governemanta iraisana sy eken’ny rehetra no lalana hamahana ny olana ara-politika sy hisorohana ny krizy lavareny hamotika ny toekarem-pirenena.

 

 Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy ny fandrafetana fifanarahana politika. Maro no mahita fa mila olom-baovao i Madagasikara, mila olona madio ary tsy mirona amina antoko politika satria dia tsy ho tontosa mihitsy ny fifidianana madio sy mangarahara raha mbola olona mitanila no eo ka ahiana hanome vahana antoko na fikambanana politika iray. Olona manampahaizana sy manana fanetren-tena lehibe no tsara indrindra hitantana ny firenena. Efa maro ihany ireo nandalo teo anivon’ny primatiora sy ireo minisitera maro isan-karazany fa vao mainka latsaka anaty kizo tanteraka ny firenana noho ny fitiavan-tena diso tafahotra, eo koa ny fitiavana voninahitra. Ny fahaiza-mitantana ve no tsy mety ? Noheverina anefa fa manampahaizana sy manana ny traikefa rehetra ihany ireo efa nitantana. Ny fanondranana ny harena ankibon’ny tany, ny andramena, ny volamena, ny sokatra … no toa zary fahatsiarovana napetrak’ireo mpintatana hatrizay. Olona tena tia ny tanindrazana tokoa ve no manao barofo sy bontolo ary indrindra tsy miheno ireo taraina ataon’ny vahoaka ? Fifandiran’ny mpanao politika hatrany no nitarika krizy teto, ary misy ny mpanao politika  efa hita tao anaty fitondrana 20 taona lasa izay no mbola manezaka mafy hahazo fahefana ihany.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT