Maro ny fihetsiketsehana tetsy sy teroa tato anatin’ny roa volana izay, tafiditra ao anatin’ilay pre-campagne izay ny fanononana ny teny hoe :
« Fidio » ihany no tsy azo atao. Samy manezaka mafy ireo sokajiana fa kandida lehibe amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary fantatra fa tena misy efa mampiasa vola be tokoa amin’ny fitetezam-paritra, fandefasana vaovao sy doka an-gazety sy amin’ny haino aman-jery ary ny fanontana karazana afisy sy fitaovana maro samihafa hanaovana serasera. Mahoraka fa misy ihany koa ny mizara vola tsotra izao mba hanehoana an-tsary avy eo fa nahazaka vahoaka. Miavaka fa tsy tahaka ireny koa ny kandida laharana faha-25 dia i Marc Ravalomanana. Nolazaina mihitsy aza fa tsy taitra sy matoritory izy. Tsotra ny valin-teniny, tsy vao tamin’ity 2018 ity akory no nifandray sy nifanerasera mivantana tamin’ny Malagasy i Dadavalo fa efa hatry ny ela, efa tany amin’ny taona 2001 ary efa talohan’izay aza izy no nitety faritra maro teto Madagasikara mba nijereny ny zava-misy marina, ireo mampahory ny Malagasy, ny hetahetan’ireo mponina amin’ny faritra maro, ny ahiahin’izy ireo… Izay no antony nananganany ny vondron’orinasa Tiko hamokatra sakafo tsara kalitao, vita Malagasy ary takatry ny Malagasy, hamoronana asa ihany koa. Nanao izay vitany ho fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra izy ary avy eo voafidim-bahoaka ho filoham-pirenena ka nanana ny Vina Madagasikara Voajanahary narahan’ny fandaharanasa Madagasikara Am-perinasa (MAP). Anisan’ny hevi-dehibe tao ny fanamboaran-dalana, fanomezana fanabeazana sy fampianarana mifanaraka amin’ny zava-misy ary maimaimpoana ho an’ny zaza Malagasy, fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Efa ho 15 taona aty aoriana fa mifandrombaka manao kisarisarina fandaharanasa mitovy amin’io ireo mpanao politika…Tsy taitra, tsy maika kanefa tsy tara i Marc Ravalomanana fa mahatoky ny fandaharanasany ireo mpiara-miasa aminy sy ny vahoaka Malagasy izay vavolombelon’ny fandrosoana efa nisy teto tao anatin’ny enina taona (2002 – 2008). Nanome toky i Dada fa tsy maintsy mbola hanohy ny fanarenana ny firenena sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy dia izao izy kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao indray. Efa fantatry ny vahoaka mpifidy ny tokony hataony, ekena fa misy ny fanova-maso sy ny fanomezan-toky etsy sy eroa saingy na sahirana aza dia tsara ho efa tena tonga saina ny ankamaroan’ny Malagasy. Leon’ny savorovoro sy ny fandrombaham-pahefana ary mba te hivoatra sy handroso tahaka ny firenena maro nitovy laharana tamin’i Madagasikara 20 taona lasa izay, ankehitriny anefa efa tena lasa lavitra. Porofon’ny fahamatorana ara-pitantanana sy ara-politikan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana ihany koa ny mbola fijoroan’ny Tiako I Madagasikara (TIM), tsy resin’ny krizy sy ny taona fa manana ny rantsa-mangaikany hatrany amin’ny fokontany manerana ny Nosy. Re amin’ny resaky ny olona etsy sy eroa ny hoe : « Dada ihany no mahavita azy ary afaka mitondra ny fanovana mankany amin’ny tsara kokoa raha amin’izao zava-misy eto Madagasikara izao… ». Ny vahoaka any amin’iny faritr’i Menabe iny indray moa nanomboka omaly no nihaona sy nifampitafa tamin’i Marc Ravalomanana, ary tsikaritra hatrany fa mahatoky azy ny olona, ka liana te handre azy isak'izay toerana rehetra lalovany, toa an’i Mandoto, Anjomaramartina, Morafeno, Dabolava, Maherikely, Miandrivazo...Nambarany tao Morondava omaly hariva nanoloana ireo vahoaka marobe fa hotohizana hatrany ny ezaka fanabeazana ny zanaky ny Malagasy hahatonga azy ho olombanona sy tafita amin'ny fianarana. Efa tapa-kevitra ny hiasa hiaraka sy handray andraikitra hanampiana ireo mpiarabelona hivoatra amin'ny fiainana isika, hoy ny i Dada koa dia miara-manamafy ny fahavononana sy ny fifampatokisana hanatanterahana izany.
RTT sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.