Politique

Fanarenana an’i Madagasikara Mila olona ampy traikefa sy efa voasedra


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Tsy moramora ny asa miandry izay ho filoham-pirenena vaovao eo satria tsy vitan’ny miala bala amin’ny filazana hoe firenena fadiranovana no noraisiko teo tamin’ny 2014, toy ny nambaran-dRajaonarimampianina.

Izy mianakavy toa matavin’ny afera sy ny kolikoly fa ny vahoaka miha fadiranovana. Zava-dehibe tena maika ny fanovana lalàmpanorenana, izay maro no manakiana sy mahita fa mety ny fampihavanam-pirenena satria tsy hisy firenena handroso ao anatin’ny korontana politika lava. Fa ny tena goavana dia fanarenana ny toekarem-pirenena. Olona matotra sy efa voasedra, manana traikefa, kinga amin’ny lafiny ara-toekarena sy fanarenam-pirenena, manana fanetren-tena lehibe, efa niaina fahasahiranana sy fitaintainana kanefa nanam-pinoana hatrany … no mahavita an’io fa tsy olona mpanonofy sy be resaka fotsiny. Tatsy Afrika Atsimo dia nogadraina noho ny ady tamin’ny fanavakavaham-bolonkoditra nahery vaika na ny « Apartheid » nandritra ny 28 taona (1962-1990) ary in-telo niova fonja i Nelson Mandela, ka ny 11 febroary 1990 vao afaka. Nanam-pinoana, tsy kivy, tsy fay izy ka nahavita nanatsimbadika ny tantara sy nahavita revolisionina goavana tamin’ny fanafoanana ny « Apartheid ». Voafidy ho filoham-pirenena izy ny taona 1994 hatramin’ny 1999. Raha ny eto Madagasikara, dia tsy fandokafana be fahatany an’i Marc Ravalomanana fa izy aloha no manana ny toetoetra mitovitovy amin’izay. Naongana, lasa sesitany, nogadraina vao tafaverina, nohenjehina, nogafiana,… saingy tsy kivy fa manam-pinoana hatrany, ary io iaraha-mahita io fa manana ny herijika hampandroso. Raha fanarenana ara-toekarena sy fampandrosoana, dia miteny ho azy ny tantara rehetra taorian’ny 2002 hatramin’ny 2008 fa izy no nahavita be indrindra, raha tsy hilaza afa tsy ny lalana sy ny sekoly. Na ny olona tsy mitovy foto-kevitra aminy ara-politika aza dia manaiky fa niasa sy nahavita izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT