I Marc Ravalomanana no efa voasedra ary nanaporofo fa mahazaka fiainana sy tsindry politika teto amin’ny firenena.
Niaina krizy 5 volana ny firenena ny 2001-2002, saingy nahavita nandamina sy nanarina izy. Miteny ho azy ny antontanisa navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena ny ankamaroany. Laharana faha-145 amin’ny 188 i Madagasikara tamin’ny fitondran-dRatsiraka (1975-2001) amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fampivoarana ny fandrosoan’ny maha olona (IDH). Nahazo toerana 22 rehefa nitondra i Marc Ravalomanana (2002-2008) satria tafakatra 123 amin’ny 188 isika. Nivarina faha-151 tamin’ny tetezamita ary 154 amin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao. Tafakatra 7,1% ny fiakaran’ny harin-karena, izay tsara indrindra taty Afrika tamin’ny nitondrany. Ny resaka hadirin’ny famatsiam-bola noho ny fitokisan’ny sehatra iraisam-pirenena dia niavaka izy. Ny taona 2002, ohatra, dia nahavita nanafoana ny trosa 5 miliara dolara. Ny fotodrafitrasa, toy ny lalana dia 10 000km latsaka kely tao anatin’ny 7 taona mahery nitondrany, izany hoe 7000km latsaka kely isan-taona. 1000km raha be indrindra no vitan’ny HAT sy ny fanjakana HVM mitambatra tao anatin’ny 9 taona. Teo amin’ny fampianarana, tsy ambanin-javatra ny fitsinjovana ny zaza Malagasy tamin’ny alalan’ny « kits scolaire ». Nihazakazaka ny fananganana fotodrafitrasa, izay nampalaza ny FID tamin’ny famatsiana sy fananganana. Tsy atao mahagaga raha 72% ny taham-pankasitrahana ny fandraisan’andraikitra amin’ny fanabeazana. Zara raha nisy 33% ny taona 2014 ary 54% izao 2018 izao. Nipetrapetraka ny fitsinjovana ny tantsaha tamin’ny alalan’ny PSDR ary maty paika tanteraka ny tetikasa MAP ho an’ny firenena manontolo. Tsy misy ny tonga lafatra fa nahavita izy ary lojika raha mbola andrandrain’ny Malagasy hanarina ny firenena. Haingam-piasa izy ary mahay miatrika olana sy mahita vahaolana haingana. Porofon’izany, avy naongana, voaroba, may fananana, nigadra,… saingy mbola tafarina hatrany noho ny fahaiza-manaony. Efa tany amin’ny taona 80-90 izy no mpandraharaha nisongadina sy nanankarena na nosoketaina ho nangalatra sy nangoron-karena aza rehefa nitondra. Nipetraka ny fanajana ny tany tan-dalàna, nandry fahalemana kokoa ny vahoaka na nambara ho mpanao didy jadona aza izy, ka nezahina nofongorina sy nofofoina hatramin’ny ainy fa tsy tanteraka. Nandroso ve i Madagasikara ary niadana kokoa noho ny tamin’ny androny ve ny vahoaka rehefa nopotehina izy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.