Politique

Fanarenana an’Antananarivo Ho avy ny Alemana


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Any Alemaina nanomboka ny alatsinainy lasa teo Atoa Marc Ravalomanana, miaraka aminy any an-toerana ihany koa i Patrick Ramiaramanana izay fantatra fa ben'ny tanŕna lefitra misahana ny fotodrafitrasa eto amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra.

 

 Araka ny efa teniny hatrizay moa dia hanampy an-dRamatoa vadiny amin’ny fikarohana ny fomba rehetra hanarenana an’Antananarivo sy hanampiana ireo mponina ao aminy ity filoha teo aloha ity. Maro dia maro ny asa miandry saingy tsy maintsy misy ihany ny laharam-pahamehana. Mikaroka ny fomba hanamboarana ny tanàna miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka efa vonona hiaraka hiasa amin'ny kaominina no anton-dia any Alemaina. Eo izany aloha ny fandaminana ny tanàna amin’ny ankapobeny manaraka ny fenitra (Urbanisme, aménagement urbain) ary ny fanangonana sy fikirakirana ny fako izay tena betsaka tokoa eto an-drenivohitra. Mialoha izao diany izao moa dia efa nihaona in-droa miantaona tamin’ny masoivohon’i Alemaina miasa eto amintsika i Dada.

Traikefa sy fitaovana

Efa notaterina teto ihany fa anisan’ireo manana traikefa amin’ny fanodinana ny fako ry zareo Alemana, manana ny traikefa izy ireo ary manana ny fitaovana ampiasaina amin’izany. Efa niofana tany an-toerana sy nifampiresaka tamin’ireo mpiara-miasa mialoha ny fifidianana Rtoa Lalao Ravalomanana. Ankehitriny kosa dia atao mivaingana amin’izay ilay firaha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka ka heverina fa ho avy ireo fitaovana hampiasain’ny CUA hikirakirana ny fako eto an-drenivohitra izay efa mananiky ny 1 000 taonina isan’andro amin’izao fotoana, mbola hitombo io rehefa tonga ny orana. Hatry ny ela no efa nifankafantatra sy niara-niasa tamin’ny Alemana i Marc Ravalomanana, ary dia izao zarainy hanasoavana ny renivohitra izao izany traikefa sy fahafantarany olona izany ankehitriny. Ny Alemana moa dia efa fantatra maneran-tany fa tena mazoto miasa ary manana traikefa goavana amina sehatra maro. Miaraka aminy any an-toerana moa ny tompon’andraikitry ny fotodrafitrasa eo anivon’ny kaominina ka azo antoka fa ho betsaka ny voan-dalana momba io sehatra io, izay hanova endrika tanteraka ny renivohitra.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT