Fotoan-dehibe ho an’ny firenena Malagasy ny fifidianana filoham-pirenena, ary tsy afaka manao fahadisoana intsony isika, raha mbola te hanavotra firenena sy hivoaka amin’izao fahantrana lalina izao.
Tsy mety raha mbola andrankandrana no hitondrana firenena. Ireny niaraha-nahita ireny ny nahazo antsika tamin’ny tetezamita fa hoe : zandry kely e ! Aleo hoentin’ny tanora e ! Niditra indray i Hery Rajaonarimampianina izay nambara tamin’izany fa « Hery vaovao ho an’i Madagasikara ». Aiza akory izay nivoatra teo ? Tsy nahatampona ny lavaka mangitsokitsoky ny krizy sy ny fahantrana navelan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Mahantra ny Malagasy na samy nilaza ho niasa sy nanao aza ireo mpitondra, saingy ny fiantraikan’ny laharam-pahamehana ho an’ny tsirairay tamin’ny fiainan’ny Malagasy no hifampitsarana. Tsy misy ny tonga lafatra, saingy tsy azo lavina fa tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana ihany no tena nisy fampandrosoana nisongadina teto. Nilamina sy nandry fahalemana ny tany ny firenena, tsy dia nisy ny kolikoly. Tsara laza ny firenena ary hita hatrany anaty horonantsary mipoitra hatrany James Bond izany Madagasikara izany, saingy indrisy fa niara-voasazin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny mpanongam-panjakana ny vahoaka. Miteny ho azy ny tarehimarika samihafa momba ny fahaiza-mitantana ny firenena, toy io kolikoly io ohatra, dia laharana faha-85 amin’ny 180 isika ny taona 2008, ary ho an’ny taona 2010, izany hoe tamin’ny nitondran-dRajoelina dia 123 amin’ny firenena 178 ny laharantsika, raha toa ka 155 amin’ny 180 taty amin’ny taona 2017. Rehefa atao ny fampitahana sy ny tombana dia i Marc Ravalomanana ihany hatreto no mahavita manarina firenena satria izy mahay mahalala mahavita, ary efa io ny MAP 2, izay efa mipetrapetraka ary mahatoky azy ny sehatra iraisam-pirenena. Mahalala an’i Madagasikara sy ny Malagasy tsara i Marc Ravalomanana. Mahalala ny fomba fisainan'ny Malagasy sy ny hanitsiana na hanatsarana ny fomba fiasa eto. Izy rahateo olona niezaka tamin’ny fiainana ary na efa nopotehina sy nadaraboka aza, dia io tafarina sy andrandrain’ny Malagasy hanarina firenena io, ary atokisan'ny mpiara-miasa avy any ivelany. Ho an’ny omaly moa dia tany Tsihombe, Ampanihy, Beloha,… izay any amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny nanohy ny fampielezan-kevitra i Marc Ravalomanana, ka vahoaka tsy tambo isaina hatrany no liana amin’izay ambarany sy manome toky ny hampandresy azy amin’ny 7 novambra.Nanamarika ihany koa omaly ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny kandida laharana faha 25 fa misy amin’ireo haino aman-jery sasany no tena mitanila amin’ny fikirakirana ny vaovaon’ny fampielezan-kevitra na dia mitovy izao aza ny sarany hefain’ny kandida tsirairay avy satria nametraka io haino aman-jery io fa misy ny vola tsy maintsy aloa raha handefa vaovaon’ny fampielezan-kevitra ao aminy.Tsy mahakivy mihitsy ny kandida Ravalomanana anefa izany ary misy foana ny vahaolana fa tsy ifampitambatambazana no sady tsy ifanerena ihany koa ny fiaraha-miasa .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.