Politique

Fanarenam-pirenena Miandrandra an’i Dada ny maro


  • Alatsinainy 05 Janoary 2015

Rehefa samy avy nankakalaza ny Noely sy nandray ny taona vaovao 2015 tamim-pilaminanana ny tsirairay dia hiverina hiatrika ny fiainana andavanandro indray

. Herinandro vaovao no hatrehan’ny rehetra manomboka anio taorian’ny fety sy ny faran’ny herinandro lavalava. Mitohy araka izany ny rotorotom-piainana sy ny fitadiavana hoan’ny vahoaka Malagasy. Tsy azo adinoina araka izany fa tsy afa-misaraka amin’ny tsirairay ihany koa ny raharaham-pirenena. Azo lazaina fa kihon-dalana hiovan’ny raharaha politika eto Madagasikara ity volana janoary ity satria hisy ny tohin’ny fihaonan’ireo filoha dimy tonta ho amin’ny fampihavanam-pirenena eo ihany koa ny fiarahabana sy firariantsoa ataon’ny filoham-pirenena nahatratra ny taona vaovao. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia isan’ny nanamarika iny taona lasa iny Atoa Marc Ravalomanana satria tsy sasatry ny miresaka azy hatrany ireo fampahalalam-baovao teto an-toerana eny fa na dia ireo avy any ivelany aza. Manoloana izany indrindra dia maro ny vahoaka no miandrandra ny fandraisan’andraikitry i Dada amin’ny raharaham-pirenena. Hirian’izy ireo no hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria maro ireo nahatsapa fa efa nandroso Madagasikara no nosintonina hihemotra indray vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Izy tenany rahateo hoy ny maro efa nilaza fa vonona hampandroso an’i Madagasikara ary tsy hitondra korontana matoa niverina teto Madagasikara. Efa misy tokoa ny dingana ataon’ny mpitondra amin’ny fampihavanana ary hiriana mba ho amin’ny tombontsoam-pirenena no hanaovana izany. Ho an’ny mpanara-baovao mantsy dia mahita fa tsy afa-mihetsika tokoa ny fitondrana ankehitriny raha tsy manao dingan-dava tahaka ny efa misy ankehitriny; ary tsy ho tafavoaka mihintsy raha tsy misy ny dian-tanan’i Dada na mivantana io na ankolaka. Ny firariana dia mba ho taona vaovao hiovan’ny toe-tsaina sy hampisehoan’ny tsirairay ny fitiavan-tanindrazana tena izy amin’izay ity taona 2015 ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT