Politique

Fanaratsiana amin`ny facebook “Misy andraikitra azo raisina”, hoy Imbiki Herilaza


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Hitantsika fa tena miroborobo be ny fifanenjehana sy fifanaratsiana ny mirotsaka hofidiana hita eny amin`ny tambajotran-tserasera, ny facebook moa no tena ahitana izany eto Madagasikara.

 

 

 

 Misy zavatra marina saingy misy koa noforonina. Ny lalàna mifehy ny fifidianana anefa milaza fa ny fanenjehana mahakasika ny mpilatsaka hofidiana dia manao fanaratsiana sy fanalotoana. Ny lalàna  momba ny “cybercriminalitè” tamin`ny taona 2016, milaza fa ny fanenjehana ny heloka atao eny amin`ny tambajotran-tserasera  dia voarara satria misy fanamelohana, sazy (lamandy), fanagadrana… hoy i Imbiki Herilaza, mpahay lalàna. Ahiana hisy fiantraikany any amin`ny safidim-bahoaka izy io. Misy kosa anefa ny fepetra azo raisina, hoy ity mpitsara ity. Voalohany, ny mpikarakara fifidianana. indrindra ny CENI Madagascar dia  tokony hiezaka hanentana ny olona mampahafantatra fa voaheloky  ny lalàna ireny. Ny fampanoavana ihany koa dia tokony handray fepetra satria izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin`ny filaminam-bahoaka amin`ireo sehatra ireo. Efa mandray fepetra ny fampanoavana isaky ny toerana misy ny fitsarana. Farany, any amin`ny fanjakana, izay mifehy ny tambajotran-tserasera indrindra ny minisitera dia tokony handray fepetra satria misy olona fantatra manao an`ireny, misy koa ny haino aman-jery manao an`izay.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT