Politique

Fanaraha-maso amin`ny fifidianana Hifanome tanana ny Firaisamonim-pirenena sy ny vahoaka


  • Zoma 14 Septambra 2018

Mpanara-maso ny fifidianana 6 050 ahitana solontena avy amin`ny olom-pirenena tsotra tsy mitanila sy fiarahamonim-pirenena no hahetsika hanara-maso ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 07 novambra ho avy izao ka hiparitaka any amin`ny biraom-pifidianana 9 305 amin`ny .distrika 34 avy amin`ny faritany 6 hiasan`ny tetikasa SAFIDI

 

 

 

 (Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon`ny Demokrasia Ifarimbonana). Hitondra ny anjara birikin`izy ireo mba hahatongavana amin`ny fifidianana mangarahara, eken`ny rehetra ary ao anaty filaminana. Tanjona, hoy ny tompon’andraikitry ny tetikasa ny hanome lanja ny safidin`ny olom-pirenena sy ny hametrahana ny mangarahara ary ny mira lenta. Ny tetikasa SAFIDI dia teraka tao anatin’ny tetikasa FANOA (Fifidianana ANdraisan’ny Olompirenena Andraikitra), izay tohanan’ny vondrona Eoropeanina. Zava-dehibe ny fanaraha-maso amin`ny fifidianana satria fitaovana iray lehibe ahafahana manara-maso ny fizotry ny fifidianana, manao fanadihadiana sy fitsirihana ny tsy ara-dalàna mba hisorohana ny fomba mamohehatra. Mizara roa lehibe ny asan`ny rafitra SAFIDI. Voalohany, fanaraha-maso ny fametrahana ny lalàm-pifidianana, ny lisitra, ny fotoan`ny fampielezan-kevitra, ny andron`ny fandatsaham-bato, ny fikirakirana sy ny famoahana ny vokatra ary ny toe-draharaham-pirenena aorian`ny famoahana ny vokatra. Ny andraikiny faharoa dia ny fanaraha-maso ny fanatanterahan`ireo olom-boafidy ny fampanantenana nataony nandritra ny propagandy. Natao ho rafitra maharitra mitaky fomba fiasa matotra, mahomby sy fahaiza-manao ara-teknika. Izy no manome ny antontan’isa sy ny antontan-kevitra ary antontam-baovao feno hoentin`ny firaisamonim-pirenena manao fanairana sy ahafahany manatevina ny soso-kevitra harosony mahakasika ny fifidianana sy ho fampivoarana ny fiainam-pirenena.  Ireo antontan-kevitra hivoaka mandritra ny fanaraha-maso kosa dia hijanona ho fitaovana entina hitaky fanovana ho fanatsarana ary alefa sy ifampizarana amin`ireo rafi-panjakana isan-karazany mandrindra sy misahana ny fifidianana toy ny HCC, CENI, BIANCO … Anisan`ny tanjon’ny Ivontoerana SAFIDI ny fanentanana sy fampiofanana ireo mpanara-maso eny anivon`ny biraom-pifidianana sy fokontany ary kaominina miisa 520. Manao antso avo ho an`ny olom-pirenena hirotsaka amin`ny fanaraha-maso mba hanatona ny Ivontoerana SAFIDI satria io no fomba hanehoana firaisankina ho fiarovana ny safidin`ny tsirairay.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT