Nivoaka omaly zoma 25 mey tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tao amin’ny tranonkalan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanapahan-kevitra mitondra ny laharana 18-HCC/D3, valin’ny fitorian’ny depiote nangataka ny fialan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina noho ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana isan-karazany,
toy ny tsy nananganana ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice) izay nekena fa tsy tafatsangana, ka mila hatsangana ao anatin’ny fotoana fohy. Ny tena mivaingana ao anatin’ity fanaahan-kevitra ity dia tsy miala amin’ny toerany ny filoham-pirenena. Mila mampitsahatra ny praiminisitra amin’ny asany ny filoha, ary ravana manontolo ny governemanta. Tsy maintsy tendrena ao anatin’ny 7 andro, niantomboka tamin’ny fivoahan’io didy io kosa ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, izay miainga amin’ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 fa ny antoko na vondron’antoko manana ny maro an’isa ao anatin’ny antenimiera no manolotra ny anarana, tsy latsaky ny telo ireo. Ny filoha no manendry praiminisitra miainga amin’ny tolo-kevitry ny vondrona maro an’isa. Ahoana no ahitana marimaritra iraisana ao anatin’ny 7 andro ? Efa niteraka gidragidra teto io nandritra ny fanendrena praiminisitra taorian’ny nahalanian-dRajaonarimampianina ny taona 2014. Teo no nampizara ny MAPAR sy nahateraka ny vondrona parlemantera HVM, izay tsy nanana na tamingana depiote iray aza tany amin’ny fifidianana. Samy milaza ho maro an’isa amin’izao fotoana na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana. Ny praiminisitra hotendrena dia hiara-kiasa amin’ny filoha, ary tsy azo atao ny manala azy raha tsy efa fahadisoana goavana be na tsy fahavitana ny asany.Voalaza ihany koa fa ny filoham-pirenena no manendry izay hitantana ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena, araka ny fizarana hifarahana amin’ireo vondrona politika maro samihafa. Mifandamina amin’ny CENI ny governemanta mba hirosoana amin’ny fifidianana mialoha ny fotoana ao anatin’ny fotoana main’andro, izay miankina amin’ny fahavononan’ny hoenti-manana ara-teknika, ara-pitaovana ary ara-bola. Mampanahy ny mety hisiana adihevitra lava be sy savorovoro noho ity fanapahan-kevitra navoaky ny HCC ity, satria tena fanapahan-kevitra politika ilay izy ary samy manana ny ho fandikany an’io indray ny mpanao politika, tahaka ny tondrozotra tamin’ny tetezamita.Ny azo antoka aloha izany dia tsy maintsy miongotra amin’ny toerany ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly ary tsy ho tafaverina eo intsony.
ENCADRE
Raha tsy misy fifanarahana politika vita ato anatin’ny 10 andro, dia mihatra amin’ny antsipirihany ity didy ity. Mampahatsiahy ny zava-nisy tany amin’ny taona 2015 nitakian’ny depiote ny fanalana ny filoha ihany satria namoaka vahaolana avy hatrany ny HCC, izay nambaran’ny depioten’ny fanovana moa tany aloha fa tokony hitsara amin’ny alalan’ny lalàna fa tsy mamoaka vahaolana hafa. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny eny amin’ny 13 mey.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.