Tsy mbola mazava tsara ireo lalàna lany manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanala ny andinin-dalàna araka ny tatitry ny mpahay lalàna Andriamatoa Herilaza Imbiky.
Tsy fantatra mazava tsara hoe mifanaraka amin’ilay notsoahan’ny HCC ve ireo lalàna ? Tokony hampahafantarina ny besinimaro, indrindra ireo mpandray anjara na mpisehatra amin’ny fifidianana izany, araka ny nambarany. Tsy mbola feno ny fepetra ahafahana miroso amin’ny fifidianana mangarahara sy milamina, hoy ihany izy. Tokony ho nampiharina aloha ny andinin-dalàna 117 izay avy eny amin’ny parlemanta ary hita ihany koa fa tsy ampy mihitsy ny lalàna ahafahana miditra amin’ny fifidianana. Manoloana ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny praiminisitra sy ny governemanta iraisana dia tsy hisy ny praiminisitra tsy miandany amin’ny atsy sy aroa satria raha ny tokony ho izy dia ny manana ny maro an’isa no manolotra. Hiteraka olana ihany koa anefa izany satria anarana efa tafiditra lalina tamin’ny krizy no tsy maintsy ho eo. Nanambara ihany koa ity mpahay lalàna ity fa sarotra ny ahazoana governemanta iraisana amin’ny datin’ny fifidianana satria fifidianana mialoha no hotanterahina noho ny mety tsy fahavononana. Manoloana Izay, mila hazavaina tsara ny zavatra tian’ny HCC ambara tamin’ireny fanapahan-kevitra ireny fa vao mainka hiteraka tsy fitoniana amin’ny fanaovana ny fifidianana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.