Politique

Fanangonana voka-pifidianana Efa lasa lavitra ny any amin’ny “QG”-n’ny kandida


  • Zoma 09 Novambra 2018

Mampitaintaina ny mpanara-dia ny kandida tsirairay, indrindra ireo kandida mitarika ao anatin’ny vokatra vonjimaika ny mety ho voka-pifidianana hiseho eo.

 

 Hatreto, tsy mbola hahafahana mamantatra ny fironana ankapobeny mety hanakaiky ny tena marina ny ampaham-bokatry ny CENI amin’izao, izay birao fandatsaham-bato 500 eo amin’ny 24.852 no namoahany vokatra hatry ny omaly. Miasa sy mikirakira antontan’isa ihany koa anefa ny any amin’ny Foiben-toeran’ny kandida na ny QG, izay efa misy no manana vokatra vonjimaika, tsy ofisialy. Efa manodidina ny 12.000 amin’ny 24.852 ny an’ny kandida Marc Ravalomanana ao anatin’ity fifidianana ity. Ny kandida tsirairay dia mailo tanteraka ary samy manangona ny vokatra sy manana ny antontan'isa eo am-pelatanany. Mety samy manana ny vokatra ary mety samy mitarika amin’ny isam-bato ny an-daniny sy ny an-kilany sokajiana ho be vato indrindra. Lojika satria mety hoe tany amin'ny toerana tena nananan'ny kandida solontena sy efa azony antoka fa handresena no nangoniny mialoha ny vokatra sy ny fitanana an-tsoratra mifandraika amin’izany, ary manaraka eo ny sisa avy eo. Mifamono ireo rehefa samy nahangona avokoa, ary tokony hitovy, raha tena tsy misy ny fampitomboana isa na fanenana arakaraka izay mahamety ny kandida.  Afaka mampitaha ny vokatra sy ny fitananana an-tsoratra na ny PV amin’ny vokatra farany avy amin’ny CENI izay hany tokana ofisialy sy tena manan-kery avy eo ny kandida amin’ny vokatra feno eny am-pelatanany, ary afaka manao fampitahana na “confrontation” amin’ny zavatra mampiahiahy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT