Politique

Fananganana tetezamita Hamotika ny firenena


  • Zoma 23 Novambra 2018

Misoko miadana any ambadika any ny fikotrehana fananganana tetezamita ka hofoanana ny fifidianana ary hadaboka ny fanatanterahana ny fifidianana fihodinana faharoa.

 

 Mizotra amin’izay isika raha ny vokatra vonjimaika efa navoakan’ny CENI no tarafina. Ny HCC anefa no tompon’ny teny farany. Vao mainka poizina sy hamotika firenena ny fidirana amin’ny tetezamita, ary mety tsy ho vita intsony ny fifidianana. Efa vola be no lany notangirihina tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Sarotra ho an’i Madagasikara ny mbola hahazo indray. Ny fanohizana ny efa natomboka ihany no lalana mety kokoa azo hizorana. Mety hilatsaka ny sazy iraisam-pirenena. Hiditra krizy indray isika raha hizotra amin’ny fifanakorontanana hitakiana fanafoanana fifidianana hananganana tetezamita. Tsy hisy ny fampandrosoana vanona fa fifampizarana seza no ho eo ary samy hangorona izay azony indray ny mpanao politika. Hihazakazaka ny fitrandrahana sy ny fanondranana ny harem-pirenena fa ny vahoaka hiha fadiranovana hatrany. Nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany teo fa tsy tokony ho sakana amin’ny dingana manaraka izany. Mety hiteraka fahatezerana ho an’ny olom-pirenena ihany koa raha olana tamina birao fandatsaham-bato an-jatony no hanafoanana ny safidin’ny rehetra. Mety hisy ny kajikajy toy ny olona efa tao anaty lisitra lasa tsy tao indray. Hatramin’izay anefa, manodidina ny 50% eo foana ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana na ny olom-pirenena na teritery sy ny filirony be loatra takiana amin’ny olom-pirenena. Any ampitan-dranomasina, kara-panondro dia vita fa tsy mila pitsopitsony be rehefa mifidy. Ireny niaraha-nandre omaly ireny ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana fa azo atao tsara ny manao ny fanamarinana samihafa toy ny fitsirihana ny rindram-baiko nikirakirana ny voka-pifidianana ho an’izay tsy mahatoky, raha eken’ny fitsarana mahefa. Nanamafy ny tsy fitanilana sy mangarahara ary ny fahaleovantenany ny CENI, ary heverina fa mba efa nandray lesona hahafaha-manatsara ny ho avy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT