Politique

Fananganana ny fanjakana Miady ho lohany ny samy MAPAR


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Mafana ny adivarotra sy ny don-tandroka eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanendrena praiminisitra. Mbola i Ntsay Christian ve sa i Fienena Richard ?

 

 

 

 

 Mazava ny voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. 54 izay milaza fa ny solombavambahoaka manana maro an`isa no manolotra ny anaran`izay praiminisitra. Ka inona no olana ? Nisy hatrany ny fanangonana sonia teo anivon`ny parlemantera. Hatao inona ?  Samy te ho lohany avokoa ny samy Mapar. Mbola mifanesika ny fanaterana CV eny amin’ny Arena Ivandry satria samy mba te ho minisitra sy ho lasa mpiasam-panjakana ambony daholo ireo milaza fa nanohana an’i Andry Rajoelina. Ny fandrafetana governemanta (minisitra) dia efa mampisahotaka ihany koa satria misy ireo minisitra Mapar mbola te hijanona amin’ny toerany, misy koa ireo te haka ny toerana.re fa anisan’ny mafana ny fifanasana vangy ho an’ny toeran’ny minisitry ny mponina… Samy andriambavilanitra no miady ny toerana raha ny resaka mandeha ary samy olona akaiky an’i Andry Rajoelina. Efa mangatsiaka ny ambiansy eny amin’ny antenimierandoholona satria hoe hofoanana, hono… Anisan`ny nambaran`ny filoha Andry Rajoeilina izany nandritra ny fampielezan-kevitra. Tsy mandray fitondrana amin’ny fomba ofisialy akory i Andry Rajoelina dia efa sakoroka ambony latabatra sy any anaty lapa any, ahiana fa rehefa voatendry ny governemanta dia mety hisy hifandray vozon’akanjo ny samy zanaka Mapar. Tsy mora ny mitantana firenena sy mandrafitra ny fanjakana, indrindra fa rehefa voahodidina ekipa mamba noana ilay filoha.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT