omaly alahady 14 oktobra 2018 ny faha-60 taonan’ny repoblika voalohan’i Madagasikara. Marolafy ny fomba nanamarihana izany saingy tsy vanona kosa ny fikasan-dry zareo mpanao politika nikasa hanangana fanjakana vaovao tetsy amin’ny Pave Antaninarenina.
Vao maraina dia nosakanan’ny mpitandro ny filaminana tsy hiditra tao amin’ity hotely ity ireo mpikarakara sy mpanotrona ny fankalazana ny fitsanganan’ity atao hoe “Fanjakana gasy” ity. Rehefa tsy nety nifandray moa ny tadin-dokanga ary tsy nahitana marimaritra iraisana dia nosamborina ny iray tamin’ireo mpitarika ny hetsika, Rainidina Rajoharison. Nanohy ny fivoriany tany amina toeran-kafa ireo mpitarika sasany handinihana ny tokony hatao manaraka, raha ny fampitam-baovao. Maro ireo mpanao politika hita tetsy Antaninarenina omaly, toa an’i Max Fabien saika hirotsaka ho filoha. Hita teny koa ry Faniry Razafimanantany, Joseph Yolland, Gaby Vakiniadiana ary ny pasitera Tsarahame Edouard.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.