Politique

Fananganana Governemanta Tsy maintsy ifampiresahana


  • Alakamisy 07 Jona 2018

Tamin’ny 9 ora alina vao vita ny fihaonan’ny solontenan’ny depiote ho an’ny fanovana sy ny praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny lapan’ny Mahazoarivo omaly.

 

Fihaonana izay nampatsiahivanay taminy, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa tsy nisy ny didy navoakan’ny HCC, ary tsy voatendry ho praiminisitra izy raha tsy nisy ny tolona nataon’ny depiote ho an’ny fanovana sy ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy tamin’ny faritra maro teto Madagasikara. Fampahafantarana mazava tsara ny anton’ny tolona sy ny tanjona ary ny fanovana tsy maintsy atao eto amin’ny firenena no resaka teny Mahazoarivo omaly raha araka ny fantatra fa tsy mbola nisy fitsinjarana toerana anaty governemanta tsy akory. Mazava ny foto-kevitra ijoroana dia ny fanovana ny olona, fanovana ny fomba fiasa, fanovana ny fomba fisainana ary indrindra fa ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana nambotry ny firenena; tsy azo ekena ihany koa ny fanitsakitsahana na familiviliana izay voasoratra ao amin’ny lalampanorenana,Izany rehetra izany no nambaranay tamin’ingahy praiminisitra, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, izay nanome toky fa mbola hotaterina manoloana ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ny 13 mey anio ny votoatin’ny dinika omaly  hariva. Tetsy ankilan’izay diia nilaza ny praiminisitra tsy maintsy ho hita taratra amin’ny fanendrena ireo minisitra ny marimaritra iraisana; ary hotanterahana ao anatin’ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra izany.Ankoatra izay, nohamafisina teny an-kianja omaly ny fitakiana ny fanokafana ny orinasa AAA-Tiko sy ny MBS. Mbola mitohy ny tolona hatreto, ary tsy hijanona raha tsy mivaly ny fitakiana nataon’ny depiote 73 iray tsy mivaky sy ny Vahoaka Malagasy ary ny Sendika rehetra.


RTT sy Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT