Nihaona nivantana tamin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ny mpandrindra nasionalin’ny MAPAR sady
solombavambahoakan’Ambatofinandrahana Christine Razanamahasoa ny faran’ny herinandro teo, nialoha ny niazoan’ny filoha an’i New York namonjy ny fihaonambe faha-70-n’ny Firenena Mikambana. Tsy dia ho zava-baovao na fahagagana ny nisian’ny fihaonana eo amin’ny roa tonta na eo aza ny fifandroritana tamin’ny fifidianana kaominaly tao Fianarantsoa farany teo. Nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 i Christine Razanamahasoa, indrindra tany Fianarantsoa, izay faritany nahazoan’itsy voalohany vato be indrindra nanerana ny Nosy. Mifankalala tsara sy mpinamana koa izy ireo, samy minisitra nandritra ny tetezamita. Raha ny tsiliantsofina dia anisan’ny nifampiresahan’ny roa tonta ny mikasika ny fananganana governemanta aorian’ny fahavitan’ny “mémorandum” hisian’ny fitoniana. Tsy ferana ny fifampizaran-tseza sy ny fandaminana ny raharahan’i Fianarantsoa taorian’iny fifidianana Ben’ny tanàna iny. Voatsodranon’i Andry Rajoelina ve ny fifanatonana, sa nahimpon’i Christine Razanamahasoa sy ny mpiaradia aminy ? Raha ny valandresaka nataon’ny MAPAR farany, ny herinandro lasa iny, mantsy dia ny fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ihany ny azy vao misy ny fifanatonana.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.