Politique

Fananganana governemanta hafa Tsy manaraka lalàmpanorenana izany…


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia miroso hatrany amin`ny fandinihana ireo asa manodidina ny fifidianana.

 

Tamin`ity herinandro ity,  nalaza ny fikasana hanangana tetezamita sy governemantan`ny firaisam-pirenena. Mahakasika izay indrindra dia misy didy fanapahana navoakan`ny HCC mitondra ny laharana D18 tamin`ny 25 mey 2018 ka voalaza tao ny tsy fahafahan’ny filoham-panjakana mampihatra ny   and. 116 sy ny manaraka raha mahakasika ny lalàmpanorenana. Mazava ny tsy fanalana ny praiminisitra sy fanovana ny governemanta, ny fanendrena ny mpiasam-panjakana ambony. Tsy mbola niova io didy fanapahana voalaza io ka tsy afaka miditra amin`izany na oviana na oviana. Marihina fa ny filoham-pirenena izay lanim-bahoaka sy ny filoham-panjakana mpisolo toerana dia tsy miova mihitsy ny fahefana am-pelatanany. Maro ny sazy mahazo an`i Madagasikara, indrindra avy amin`ny iraisam-pirenena. Misy mantsy ny tsy fanarahana ny lalàmpanorenana satria ny didy avy amin`ny HCC dia tsy maintsy hajain`ny andrim-panjakana rehetra. Misy ny fanasaziana ara-politika, indrindra ny fanasaziana ara-pamatsiana vola ka tapaka ny fanohanana ara-bola raha misy izay. Maro tokoa ireo fitoriana mahakasika ny fikarakarana sy fizotran`ny fifidianana. Misy mihitsy vondron`olona mitady ny hanafoana ny fihodinana voalohany tamin`ny 7 novambra lasa teo. Araka ny lalàna, ity Fitsarana ity ihany no afaka manao an`izay. Ny zava-misy anefa, tsy afaka manafoana izany raha ny antontan-taratasy rehetra eo am-pelatanan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT