Politique

Fananganana governemanta Ady sarotra ho an-dRajoelina


  • Zoma 11 Janoary 2019

Nandritra ny propagandy tamin’ny fihodinana faharoa no nanambaran’i Andry Rajoelina fa efa vonona amin’ny ampahany betsaka ny anaran’ireo olona handrafitra ny governemantany,

 

 

 

 izany hoe efa fantany ny ho praiminisitra ary efa misy anaran’olona maromaro hatao minisitra any. Tsiliantsofina no nandrenesana fa mety olona zanaky ny faritra atsimon’ny nosy iny no hahazo io toeran’ny lehiben’ny governemanta io. Efa re ihany koa fa mibosesika ireo te hiditra anaty governemanta sy ny toerana ambony hafa any anaty minisitera any. Re fa misy tamin’ireo mpanao politika, nisafidy ny tsy ho kandida fa nanohana an’i Andry Rajoelina no efa miady mafy ho lasa praiminisitra. Hatreto, ilay lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny 2010 no tsy maintsy hampiasaina ka hiverina indray ny adihevitra momba ny vondrona parlemantera manana ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena izay afaka manolotra ny anaran’ny hotendrena praiminisitra. Hafana ny fitondran’i Andry Rajoelina, ary efa azo sary an-tsaina sahady fa hisy ireo mersenera politika nanohana azy no hikotaba rehefa tsy mahazo seza. Hanokatra varavarana ho an’ny ankolafy politika hafa, tsy nitovy firehana taminy ve i Andry Rajoelina mba hanehoana endrika firaisankinam-pirenena na fampihavanam-pirenena sa tonga dia mpiara-dia aminy 100% no handrafitra ny governemantany ? Miara-dalana amin’izany, mbola zavatra tsy maintsy hojerena ihany koa ny fifandraisana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay tsy hoe faly dia faly ka niarahaba ny filoha vaovao fa efa manana sahady ny kajiny sy ny teniny momba ny mety ho firafitry ny governemanta. Namatsy vola tamin’ny ampahany betsaka iny fifidianana iny sy ny fifidianana mbola ho avy amin’ity taona ity izy ireo. Andrasana izay paikady hiatrehan’i Andry Rajoelina izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT