Politique

Fananganana Fanjakana Nosamborina i Pety Rakotoniaina…


  • Alarobia 17 Oktobra 2018

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Camp Robin any amin’iny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’i Fianarantsoa iny omaly tokony ho tamin’ny 4 ora hariva i Pety Rakotoniaina, iray amin’ireo mpitarika ny vovonana politika HFI, na ny hetsiky ny Fanorenana Ifotony.

 

 

 

 Avy aty Antananarivo ny tenany ary nandeha taksibrosy no nobedain’ny zandarimaria noho ny baiko sy ny toromarika nomena azy ireo. Notazonina ihany koa ny finday sy ny solosainany. Omaly hariva ihany dia niainga teto Antananarivo ireo iraka avy amin’ny Zandarimariam-pirenena etsy amin’ny Toby Ratsimandrava haka azy any an-toerana. Raha ny siosion-dresaka dia fananganana fanjakana anaty fanjakana no vesatra iampangana azy. Tsy hay aloha na misy ifandraisany tamin’ny nisamborana an-dRainidina Rajoharison anisan’ny nitarika ilay hetsika milaza hanangana “Fanjakana Gasy”  nobedain’ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny alahady 14 oktobra teo ny zava-misy na tsia. Tsara ny manamarika fa hevitra nitovizan’izy ireo ny tsy dia fankasitrahana loatra ny fifidianana. Nibaradaka ve Rainidina izay tsy mbola votsotra fa nisy tetika niarahana izy ireo sy i Pety Rakotoniaina ? Efa nitory kandida filoha iray ihany koa i Pety Rakotoniaina ka sao misy dian-tanana avy amin’io izao toe-draharaha izao ? Andrasana izay ho fivoaran’ity toe-draharaha mafampana ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT