Notanterahina omaly tetsy Anosy ilay atrikasa eo anivon’ny Faritra Analamanga namelabelarana ny politikan’ny fananantany sy hananganana ny drafitrasa nasionaly mifandraika amin’izany, natrehin’ireo teknisianina momba ny fananantany sy Ben’ny tanàna maro.
Natao izao taorian’ny nanavaozan’ny fanjakana ny politikan’ny fananantany farany teo, hakana ny hevitry ny rehetra ihany koa ho tombontsoan’ireo vahoaka 4 tapitrisa voakasik’izany eto amin’ny Faritra Analamanga. Mikasika ireo karazana fitakiana nataon’ireo mpiasan’ny fananantany tamin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany farany teo dia nambaran’ny minisitra Rakotovao Rivo fa nisy ireo nampidirina ao anatin’io politikan’ny fananantany vaovao io raha nisy ihany koa ireo tavela. Fitiavan-tanindrazana daholo izany, hoy izy ka tokony hoeken’ny rehetra, eny fa na dia ho an’ ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany na ny SIF aza izay niezaka ny nitady fihaonana taminy. Hisy moa ny famoahana io drafitra nasionaly momba ny fananantany io aorian’ity atrikasa ity arahin’ny fananganana lalàna aorian’ny fandalovany eny amin’ny Antenimieram-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.