Nampiantsoan’ny lehiben’ny faritra atsinanana Atoa talata Michel tao amin’ny efitra malalaky ny faritra atsinanana ny alarobia 03 jona teo, ireo “olobe” ao Toamasina maromaro izay notarihan’ny governora teo aloha tao Toamasina Atoa Lahady Samuel sy
ireo mpikamban’ny vondrona ADOPT notarihan’ny filohany Atoa Ramerison Auguste sy Atoa Fanony Fulgence ary Atoa kalo Narcisse. Ho an’ireto nantsoina dia tsy nahalalana ny fampiantsoana azy izy ireo satria ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana no nasain’ny lehiben’ny faritra niantso azy ireo, noho ny raharaha maika hifampidinihana. Teo am-pivoriana vao nahalala izy ireo fa fanambarana amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny safidy nataon’ny depiote amin’ny fanonganana azy no saika natao izay nolavin’ireto nasaina ny hanao izany. Niakatra ny feo tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana. Samy nanazava ny fahitany ny zava-misy sy ny fitaka natao azy ary tsy nilaza mialoha ny antom-pivoriana ireto nasaina. Noho izay dia nasaina nivoaka aloha ny mpanao gazety tsy hahare ny fifandaminana sy ny fifandresen-dahatra tao, araka ny baikon’ny talen’ny kabinetran’ny faritra, izay nilaza tamin’ireo mpanao gazety nasaina fa tsy tratra ilay fanambarana fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka. Taorian’izay dia nisy tamin’ireo nasaina no nivoaka ny efitra malalaky ny faritra atsinanana ihany koa, ary nilaza fa tsy zaza izahay ka hofitahana tahaka izao amin’ny fanohanana olona izao. Tao aza no niteny fa tsy anjaran’izy ireo ny miaro ny filoha fa manana ny ekipa teknikany sy ekipa politikany ary antokony izy ka anjaran’izy ireo no miaro azy. Araka ny angom-baovao, omaly efa tara be ny tolakandro dia nanaiky nanao izany ihany ireo “olobe” taorian’ny dinika “miafina” nifanaovan’izy ireo.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.