Politique

Fanambaram-pananana Songonan’i Onitiana Realy ny Praiminisitra


  • Zoma 30 Janoary 2015

Hanao fanambaram-panana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena eny Ambohidahy, anio, ny minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fanandratana ny vehivavy, Onitiana Realy. Izany dia ho fampiharana ny voalazan’ny andinin’ny faha-41 amin’ny lalampanorenana.

Milaza ny hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety eny an-toeram-piasany any Ambohijatovo izy aorian’izay. Onitiana Realy izany no hamaky lay ny fanaovana fanambaram-panana amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Na ny praiminisitra Ravelonarivo Jean efa voatendry tamin’ny 14 janoary 2015 aza songonany, na mba mety eritreritra ny hitarika ny governemantany hanatanteraka miaraka ihany, rehefa mandray ny asany avokoa ireo minisitra. Mbola misy tsy eto an-toerana mantsy ary tsy mbola nahavita famindram-pahefana mantsy, toy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Atallah Béatrice.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT