Politique

Fanambaram-pananana Nanome ohatra ireo depiote zanak’i Dada


  • Zoma 09 Janoary 2015

Mazava ny tatitry ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana. Minisitra iray sy solombavambahoaka efatra ihany no nanao fanambaram-pananana tamin’ny taona 2014. Ho an’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta dia ny minisitry ny fitaterana sy ny

famantarana ny toetr’andro, Andriantiana Jacques Ulrich, teo anivon’ny Parlemanta dia ny solombavambahoaka isany avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina (Antananarivo V), Randriamandimbisoa Félix Marie Louis (Antananarivo IV), Randriamampianina Ramilison (Antanifotsy) ary Rasolofonomenjanahary Fidelis Justin (Ambohimahasoa) no hany nanao fanambaram-pananana. Ny andininy faha-40 sy 41 amin’ny lalàmpanorenana no manery ny hanatanterahan’ireo mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana ahitana ny filohan’ny Repoblika sy governemanta, ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Nanome ohatra amin’ny fanarahan-dalàna ny zanak’i Dada, fa manao mpitari-bato vilam-bava ny sisa, indrindra ireo milaza fa nampandany an’i Hery Rajaonarimampianina ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT