Araka ny fampahafantarana nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ao amin’ny tranonkalany (www.hcc.govmg) dia ny depiote isany Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina (Antananarivo V), Randriamandimbisoa Félix Marie Louis
(Antananarivo IV), Randriamampianina Ramilison (Antanifotsy) sy Rasolonomenjanahary Fidelis Justin (Ambohimahasoa) ary ny minisitra isany Andriantiana Jacques Ulrich (Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro) sy Realy Onitiana (Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fambiroboroboana ny vehivavy) ihany no mpitondra fanjakana nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC. Ny andininy faha-41 amin’ny lalàmpanorenana anefa no manery ny mpitondra ambony rehetra hanao io fanambaram-pananana eny anivonn’ny HCC io. Nankaiza avokoa ny ambiny rehetra ? Inona no mampiahotra nefa mihirahira ny fanajana ny lalàmpanorenana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.