Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly, efa ho iray volana taorian’ny nanendrena azy, ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Io omaly io ihany koa ny tenany no niseho voalohany teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena
Tsimbazaza, nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimiera tamin’ity taona ity. Izay ve no nihazakazahana tampoka teny Ambohidahy sao tratry ny tsindrom-paingotra, izy rahateo milaza ny tsy hitsitsy ireo minisitra ao anaty governemantany raha tafiditra amina afera maloto toy ny trafikana andramena. Ny fanaovana fanambaram-pananana rahateo dia singa iray hitarafana raha vonona hiady amin’ny kolikoly marina ny mpitondra. Ny andininy faha-41 ao amin’ny lalàmpanorenana tsiahivina ihany no manery ireo mpitondra ambony hanao io fanambaram-pananana eny amin’ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana. Solombavambahoaka 21 amin’ireo 151 ao Tsimbazaza izao, hatry ny omaly, no efa nanatanteraka ny azy. Voafidy teto Antananarivo renivohitra ny efatra amin’ireo dia ny depiote isany Randrianarisoa Guy Célin Rivoniaina (Tana V), Randriamandimbisoa Félix Marie Louis (Tana IV), Ratsivalaka Marie Michelle (Tana I) ary Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina (Tana III).
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.