“Tsy mbola misy resaka fanasaziana na famerana fe-potoana fa fahatsiarovantena no tadiavina amin’ny tsirairay hanao fanambaram-pananana”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean Eric, manoloana ny fahalaindanan’ireo mpitondra fanjakana hanao fanambaram-pananana.
“Hitsaran’ny olona, indrindra ny mpiara-miombon’antoka vahiny hoe misy finiavana marina ve amin’ny mpitondra Malagasy amin’ny fanatanterahana ny fanambaram-pananana”, hoy ny filohan’ny HCC nanohy ny fanazavany. Didian’ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-41 ny hanaovan’ny mpitondra fanambaram-pananana eny amin’ny HCC. Hatreto dia minisitra 2 amin’ny 30 ao anatiny governemanta ary depiote 10 amin’ny 151 no hany nanatanteraka ny azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.