Politique

Fanambaram-pananan’ny depiote Aterina eny amin’ny amin’ny Bianco


  • Talata 09 Septambra 2014

Mahagaga, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly, ny fanazavana nomen’ny Fitsarana avo momba ny Lalŕmpanorenana ao anatin’ilay didy lah. 22-HCC/D3 tamin’ny 5 septambra 2014 milaza fa tsy nanaraka rafitra na « procédure »

ny nandinihan’ny depiote an’ilay lalàna fehizoro lah.2014-009 manitsy ny andalana vitsivity amin’ilay didim-panjakana lah. 2014-001 mamaritra ny fitsipika mifehy ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Voalazan-dry zareo fa nosalovanin’ny comité Adhoc  ny andraikitry ny vaomiera tokony hisahana ny fandinihana an’io lalàna io. Teo anefa ny filohan’ny vaomiera misahana izany, hoy izy, ary nirindra araka ny tokony ho izy ny fandinihana an’iny lalàna iny. Raha ny marina, hoy ity solombavambahoaka avy any Moramanga ity, dia ny fanitsiana ny andininy mikasika ny fanambaram-pananana tokony hataon’ny depiote eny anivon’ny HCC izay hitadiavana hanagejana tanteraka ny solombavambahoaka amin’ny fahazoan’ity rafi-panjakana ity manaisotra amin’ny toerany ny depiote iray no fositry ny olana satria naverin’ny solombavambahoaka hatao eny anivon’ny Bianco toy ny fanaony hatrizay izany. Efa fanaonay taloha izany fanambaram-pananana izany, hoy ny depiote Henri Charles, saingy any amin’ny Bianco no fanatanterahana izany fa tsy an-toeran-kafa.

Mikasika ny asa sosialy fanaony any amin’ny faritra misy azy ireo dia nanambara ny depiote Henri Charles fa manoloana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao dia nanolotra boky maro isan-karazany ho an’ny Epp Mandialaza, Manakambahiny, Lakato ary Beparasy izy avy tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Association Fondation Angela. Misy amin’ireo tena sahirana aza naloan’izy mivady ny saram-pisoratana anaran’izy ireo any amin’ny Epp samihafa ankoatra ny didimpoitra faobe izay efa nahatratra 1050 hatreto ny zazalahy voafora nefa mbola hisy andiany hafa indray hatao rahampitso alarobia.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT