Politique

Fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana Mavitrika ny olona amin’ny ankapobeny


  • Zoma 25 Mey 2018

Efa naverin’ny komitim-pirenena misahana ny fifidianana ( CENI) eny anivon’ny fokontany tsirairay avy indray amin’izao fotoana ny lisi-pifidianana hahafahan’ireo mponina tsy voasoratra anarana mampiditra ny anarany.

Ho an’ny fokontany Anosimasina Itaosy, kaominina Bemasoandro manokana dia efa tafakatra an-jatony ireo olona tsy tafiditra ao anatin’io lisi-pifidianana vaovao io, hoy Rasoaniaina Zoeline, sefom-pokontany ao an-toerana. Lohalaharana ireo tanora vao feno 18 taona nanomboka ny fiandohan’ny volana febroary no ho mankaty. Tena mavitrika tokoa ireo mponina avy amin’ny faritra dimy ao aminy mijery sy manamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana.  Folo isan’andro izy ireo ho an’ity fokontany iray ity ka misy mihitsy ireo mitabataba, indrindra fa ireo tsy mahita ny anarany. Tsiahivina fa mivoha hatrany ny fokontany mandray ireo mpifidy ao aminy tsy voasoratra anarana. Ny dika mitovy amin’ny kara-panondron’izy ireny no takian’ny fokontany hahafahany mamerina izany any amin’ny CENI indray. Tsiahivina fa miisa 23.358  ireo mponina ao amin’ny fokontany Anosimasina amin’izao raha 8.770 kosa ireo mpifidy feno taona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT