Tena misy ary tsy kihonohono ny fampiasana vola amin’izao andron’ny propagandy izao. Ankoatra ny mety fanaramana ny olona hanao propagandy sy hividianana ny safidiny amin’ny latsa-bato,
dia manarama olona hanakorontana sy hanaratsy kandida ihany koa no fomba fiady, raha tarafina amin’ny zava-misy tao Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy ny andian’olona nizarana vola, ka ny lehiben’ny fokontanin’i Bemololo Atsimon’Andranomanelatra no azo sary mizara ny vola, ary manampahefana ao Antsirabe izay fantatra fa mpiara-dia amin’ny MAPAR no nampaniraka azy ireo, raha ny fanangonam-baovao. Azo sary ary mazava tsara tamin’ny fomba tsy nampoizin’ireto farany ny fizarana vola sy ny fiara nitondrana ireo olona nirahina hanakorontana ny fampielezan-kevitry ho fampandaniana ny kandida laharana faha-25 dia i Marc Ravalomanana. Hihogahoga teny Andranomanelatra hanaratsy hoe: havereno ny taninay nalain-dRavalo no iraka nampanaovina azy ireo. Tsara moa no manamarika fa efa nisy fotoana saika hanao propagandy tao Andranomanelatra i Andry Rajoelina, saingy zara raha nisy olona tonga na efa natao aza ny fanentanana samihafa, ka dia tsy nipoitra izy. Io tra-tehaka io indray ny teti-dratsy, tahaka ilay natao an’i Marc Ravalomanana volana maro izay, nanaramana olona nilanja taratasy mitovy mandroaka an’ity farany tamin’ny alalan’ny hoe “molia Ravalo”. Mitohy fomba maloto politika, izay manaporofo hatrany fa misy efa tena mpanakorontana sy manao adin’ny kanosa eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.