Politique

Fanakorontanana ny fifidianana Misy paikady avo lenta ao ambadika ?


  • Zoma 16 Novambra 2018

Mahalasa saina tanteraka ny zava-nitranga rehetra tao anatin’izao fotoam-pifidianana izao na ny nialoha na ny nandritra ary ny ankehitriny.

 

 

 

Hita ho avo lenta tanteraka ny ambadiky ny zava-mitranga rehetra rehefa halalinina. Toa fitavozavozana madinika aza ireo hita maso raha mitaha amin’ireo feo mandeha sy ireo fanambarana iraisampirenena. Ohatra amin’ireo lesoka hita maso, ohatra, ny hoe lisi-pifidianana tsy tomombana, feno verin-droa sy verin-telo. Biraom-pifidianana tsy tomombana na mihoatra. Delege tsy ampy sy ny hafa marobe. Mahalasa saina kosa anefa ny naheno tamin’ireny fotoanan’ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra ireny sy ny fotoam-pampielezankevitra fa maro tamin’ireo kandida ho filoham-pirenena no natonina mpamatsy vola rosianina. Ny mahagaga ankehitriny dia saika latsaka ambany dia ambany avokoa ny isam-baton’izy ireny ary raha ny feo mandeha dia hoe tsy nanaiky ny fifanarahana tamin’ireto vahiny voalaza ireto. Anisan’ny firenena liana amin’ny solika sy solitany ny sovietika ary Madagasikara moa dia malaza ankehitriny fa manana tahirin-tsolika tsy lany laniana na mbola 50 taona aza. Sao dia mitombina tokoa ary ny feo mandeha fa majika, izany hoe, efa misy ranomainty afa-mamafa sy manolo ireo tena izy rehefa naforitra ireo bileta tokana nifidianana tamin’ny 7 novambra ? Na koa ilay hoe efa voaomana mialoha tany am-pitan-dranomasina tany ny vokatra an-taratasy sy solosaina ka sarintsariny ihany ny fifidianana sy fanisam-bato natao teto ? Nahagaga ary tsy mbola fahita teto hatramin’izay koa ny hoe ilay filoha am-perinasa farany indray no zara raha mahazo vato. Ireo roalahy mitarika dia efa fantatra hatramin’ny taona 2009 fa sokajian’ireo mpitazana iraisampirenena ho mpifahavalo ary azo antoka fa hiteraka rombo rehefa toe-draharaha toy izao. Rehefa mikorontana ny firenena dia miditra anaty krizy vaovao indray ny vahoaka ary dia mitombo ny taham-pironana ho any amin’ny fitadiavana famatsiam-bola izay tsy maintsy atakalo harem-pirenena. Ankoatra ny vatosoa sy andramena dia eo koa ny solika sy solitany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT