Politique

Fanakorontana eto Antananarivo Mitaky porofo ny zanak’i Toliara


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Manoloana ny filazan’ny mpitandro filaminana fa ireo 60 lahy voasambotra nikasa hanafika sy hanakorontana teto an-drenivohitra, dia nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety,

omaly antoandro, tao Ankilisoafilira Bazaribe Toliara, ireo raiamandreny sy olobe ao Toliara, «manameloka ny fanosoram-potaka sy fanambaniana atao amin’ny zanak’i Toliara nataon’ny tompon’andraikitry voalohany Emmo-Reg Analamanga. Tsy vatan-dehilahy 60 no handeha hanafika sy hanakorontana an’Antananarivo». Nilaza Atoa Roberval Jeannot, mpitarika ny Toliara Mijoro, fa “tsy tokony hitsabaka amin’ny andraikitry ny mpanao politika ny mpitandro filaminana ary aza finganina ny fampihavanam-pirenena fa arosoy”. Nahitsy fiteny kosa Atoa Fotsy «mangataka amin’ny fitondrana mahefa mba hampiseho ny marina sy porofo ho hitam-poko ho fantam-pirenena momba ireo 60 lahy voasambotra lazaina fa zanak’i Toliara, hialana amin’ny fanosoram-potaka litaina amin’ny haino aman-jery».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT